|
|
|
|

Entrée (1/2)1  ririnina
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1]
Explications en anglais  4  winter, the cold and dry season [1.7]
Explications en français  5  l'hiver, la saison froide et sèche [1.8]
Exemples  6  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
7  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Vocabulaire  8  Temps
9  Géographie: (en général)
Morphologie 
10  Simple :
11  Préfixée :
Dérivés 
12  Verbes actifs :
13  Noms :
Mots composés 
Phytonymes 
Titres 
Proverbes  20  Proverbes contenant le mot ririnina

Entrée (2/2)21  Ririnina
Mots élémentaires  22  ririnina
Partie du discours  23  nom propre (titre de poème)
Vocabulaire  24  Littérature: poèmes
Auteur  25  Andrianjatovo Haëckel
Tableaux et planches  26  Liste complète
Texte  27  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
No be sorisory sy maloka lava?
Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
Ny fara-masoandro natao hanazava

Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha

Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
Fitopa malefaka sy eri-mitaika
No reko mahalana, tony dia tony
Nankaiza ny riana mahery fiantraika?

Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
Ny tendron-kavoana no mangadihady?
Mahaiza mandinika rehefa mitazana
Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady

Izany ka izany no tsy andrenesana
Ny vazon'ny vorona zatra mihira
Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
Ka lasa mihataka arý an-dakira

Izany ka izany no tsy ahitana
Aina marisika, vonon-kiasa
Ny andro kanefa dia mbola hafana
Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Anagrammes  28  Ririnina, ririnina, Ririnina, ririnina

Mis à jour le 2023/08/12