Entrée revo
Partie du discours adjectif
Définition malgache Latsaka an-kona na anaty fotaka marihitra: Revo tao anaty fotaka ny ombinay ~ Revon' ny fitiavana io zazalahy io ka tsy nahatozo ny fianarany
¶ Variana manao zavatra ka tsy mahatsiaro ny manodidina intsony: Revon-daolao ny ankizy ka tsy mahatsiaro izay sakafo intsony na revo milalao ny ankizy
¶ Sahirana fatratra: Revon' ny trosan' olona izy
Mitovy hevitra: jemby ~ rendrehana ~ rendrika ~ renoka ~ senoka ~ sondriana ~ variana [Rajemisa 1985]
Définition anglaise stuck in the mud; completely engrossed [Hallanger 1973]
Définition française embourbé; plongé dans une occupation [Hallanger 1974]
Dérivations 
Exemples 
1Dia revo tamin' izay aho nanao kaontin-dRabejofo! [Andriamalala: Ranomasina, page 55]
2Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka. [Andraina: Mitaraina, page 200]
Citations 
Toponymie Noms des lieux comprenant le mot revo (1): Mandrevo

2013/06/09