Entrée mitomany (tomany (tany))
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Mandatsa-dranomaso miaraka amin-tsento noho ny alahelo: Mitomany ny zazakely fa ampangino
¶ Mangataka, mitalaho mafy amin-dranomaso: Nitomany ny ho any Iarivo foana izy.
Mitovy hevitra: jemby ~ latsadranomaso ~ lem-bolomaso ~ manala ny lohany ~ manangan-torana ~ manao ranomaso havozona ~ manezakezaka ~ manganohano ~ miafatrafatra ~ miapokapoka ~ miatatra ~ midradradradra ~ midradraka ~ mifaditra ahitra ~ mifako bozaka aman' ahitra ~ mifararemotra ~ mifendrotra ~ mifia-dranomaso ~ mifokofoko ~ migigika ~ migogogogo ~ mihandrohandro ~ mijafajafa ~ mijoy ~ mikehina ~ miketaketa ~ mikiakiaka ~ mikonainaika ~ mitanisanisa ~ mitolokoloko ~ mitoreo ~ mitrifantrifana ~ tomany ~ tsy mahajery olona [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to cry for something [Hallanger 1973]
Définition française pleurer après quelque chose; pleurer [Hallanger 1974]
Morphologie 
mitomany
nitomany
hitomany
mitomania
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1Nitomany indray izay rehetra nanatrika teo, indrindra fa Razaimalala. [Rajohanesa: Kintana]
2Sady nigogogogo nitomany indray izy... [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 141]
Citations 

2014/11/01