|
|
|
|

Entrée (1/2)1  tafatoetra
Radical  2 toetra
Partie du discours  3  participe
Explications en malgache  [1.1]
Explications en français  4 qui s'est placé, qui s'est assis. [1.3]
Exemples  5  Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy. [2.48]

Entrée (2/2)6  Tafatoetra
Mots élémentaires  7 tafatoetra
Partie du discours  8  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  9  Littérature: poèmes
Auteur  10 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  11  Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
12  Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
13  Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
14  Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …

15  Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
16  Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
17  No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
18  Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

19  Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
20  Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
21  Fa mampita hazavana mampionona fanahy …

22  Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
23  Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
24  Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!

Anagrammes  25 Tafatoetra, tafatoetra

Mis à jour le 2025/11/12