|
|
|
|

Entrée (1/2)1  ririnina
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany)
Explications en anglais  4  [1.7] winter, the cold and dry season
Explications en français  5  [1.8] l'hiver, la saison froide et sèche
Exemples  6  [2.470] natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina.
7  [2.472] Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo.
Vocabulaire  8  Temps
9  Géographie: (en général)
Morphologie 
10  Simple :
11  Préfixée :
Dérivés 
12  Verbes actifs :
13  Noms :
Synonymes  14  main-tany
Analogues  15  lohataona, fahavaratra, fararano
Mots composés 
Phytonymes 
Titres  21  Lohataona sy ririnina (Ratsifandrihamanana Clarisse)
22  Ririnina (Andrianjatovo Haëckel)
23  Ririnina ny andro
Proverbes  24  Proverbes contenant le mot ririnina

Entrée (2/2)25  Ririnina
Partie du discours  26  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  27  Littérature: poèmes
Mots élémentaires  28  ririnina
Auteur  29  Andrianjatovo Haëckel
Texte  30  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
31  No be sorisory sy maloka lava?
32  Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
33  Ny fara-masoandro natao hanazava
34 
35  Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
36  Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
37  Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
38  Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
39 
40  Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
41  Fitopa malefaka sy eri-mitaika
42  No reko mahalana, tony dia tony
43  Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
44 
45  Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
46  Ny tendron-kavoana no mangadihady?
47  Mahaiza mandinika rehefa mitazana
48  Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
49 
50  Izany ka izany no tsy andrenesana
51  Ny vazon'ny vorona zatra mihira
52  Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
53  Ka lasa mihataka arý an-dakira
54 
55  Izany ka izany no tsy ahitana
56  Aina marisika, vonon-kiasa
57  Ny andro kanefa dia mbola hafana
58  Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Anagrammes  59  Ririnina, ririnina

Mis à jour le 2025/05/13