|
|
|
|

Index

Proverbes : mivongovongo

Proverbe 1Entam-panjozoro : bataina, tsy zakan’ irery ; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.653 #871, 2.974]
Entam-panjozoro : batain-tsy zakan' ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415]
Entam-ponjozoro : bataina tsy zakan' ny irery, aiditra tsy omby varavarana, fa nony ataina indray alina monja. [2.558 #70]
Mivongovongo foana hoatry ny entam-panjozoro : batain-tsy zakan' ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415]
Mivongovongo foana toy ny anten-jozoro : entina tsy zakan' ny irery, aiditra tsy omby varavarana, ataina tsy mahaloaka alina. [2.558 #2528]
Mivongovongo foana, ohatra ohatra entam-panjozoro: entina, tsy zakan’ ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahiloaka alina. [2.653]
Toy ny entan-jozoro: bataina, tsy zakan' ny irery; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.165]
Traduction françaiseComme un paquet de zozoro : un seul homme ne peut le transporter ; la porte d’une maison est trop petite pour le laisser passer; mais quand on le fait flamber, il ne suffit même pas pour une nuit. [2.974 #338]
Paquet de moelles de joncs : quand on veut le soulever, une seule personne n' arrive pas à le faire ; quand on veut l' introduire dans la maison, il ne peut pas passer par la porte ; mais quand on le brûle pour la cuisine, il ne suffit pas pour une nuit. [2.415 #5897]
Pareil à une botte de souchets: on ne peut ni la porter seul, ni la faire entrer par la porte, et si on les brûle, il n' y en a pas assez pour durer toute la nuit. [2.165]
Interprétation françaiseBeaucoup d' apparence, mais peu de réalité. [2.415 #5897]

Proverbe 2Ny tsiny tsy mba mivongovongo tahaka ny rahona, fa misokosoko tahaka ny fanala, tsy hita ka mahangoly. [2.653 #2456, 2.974 #275]
Ny tsiny tsy mba mivongovongo tahaky ny rahona, fa misokosoko tahaky ny fanala, tsy hita ka mahangoly. [2.415 #6432]
Ny tsiny tsy mivongovongo ohatra ny rahona, fa misokosoko toy ny fanala, nefa mahangoly. [2.558]
Traduction françaiseLes blâmes secrets ne s’amoncellent pas en flocons comme les nuages; ils s’insinuent comme le froid : vous n'apercevez rien, et vous voilà transi. [2.974 #275]
Le sentiment de la culpabilité, cela ne se montre pas comme un amas de nuages, mais cela vient comme de la gelée blanche qu' on ne voit pas et qui engourdit. [2.415 #6432]

Proverbe 3Vato handratra tsy mivongovongo, voay hamono tsy mandoto rano. [1.147 #V30]

Index