|
|
|
|

Entrée (1/4)1  babay
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [1.10]
Explications en anglais  4  a children's game [1.2]
Explications en français  5  Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [1.3]
Vocabulaire  6  Jeu
Mots composés 
Proverbes  8  Proverbes contenant le mot babay

Entrée (2/4)9  babay
Partie du discours  10  nom
Explications en malgache  11  Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [1.10]
12  renibe [Sihanaka] [1.78]
Explications en anglais  13  in the provinces it used for father. [Provincial] [1.2]
Vocabulaire  14  Rapports: famille

Entrée (3/4)15  babay
Partie du discours  16  interjection
Explications en malgache  17  Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [1.10]
Explications en anglais  18  an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [1.2]
Mots composés 
Tableaux et planches  20  Toutes les interjections

Entrée (4/4)21  Babay
Partie du discours  22  nom propre (toponyme)
Explications en malgache  23  Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [1.10]
Explications en anglais  24  a mountain in Imerina [1.2]
Explications en français  25  célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [1.3]
Exemples  26  Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i babay ! [2.48]
27  Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao babay hianareo; [2.59]
28  Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113]
Vocabulaire  29  Géographie: monts, vaux
Proverbes  30  Proverbes contenant le mot Babay
Tableaux et planches  31  Liste complète

Anagrammes  32  ababy, Babay, babay, ababy, Babay, babay

Mis à jour le 2023/09/21