|
|
|
|

Entrée1  Hofa sandrin' ny lanitra
Mots élémentaires  2  hofa, sandry, lanitra
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajaofera Fredy
Texte complet 
6  Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo,
7  Avereno fa indrana, lamba mora miofo.
8  Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa,
9  Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!

10  Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka,
11  Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka .
12  Aty no azo antoka, tsy misy rebireby,
13  Avia modia, ry oloko, aza mba someby !

14  Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana,
15  Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana,
16  Aty no tsy mba miova, aty no volamena,
17  Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!

18  Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina,
19  Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina;
20  Aty no fitoazana ..., fararano lava,
21  Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .

22  Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy;
23  Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy.
24  Avelao ny havana voa lefona maranitra,
25  Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !

26  Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso,
27  Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso,
28  Ho inonao ny tany, mpamingana mandady,
29  Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!

30  Faharesena an-tany no lalan-tora-tady
31  Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady ,
32  An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy:
33  Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!

Mis à jour le 2025/01/31