|
|
|
|

Entrée1  Voninkazo taratasy
Mots élémentaires  2  voninkazo, taratasy
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajaobelison Samuël
Texte complet 
6  Dodona aho hanimbolo
7  F'efa babony tontolo,
8  Kanjo he! mangasihasy!
9  Voninkazo taratasy!

10  Ny voninkazo-Nanahary
11  Ve tsy nisy? ka inona àry,
12  Ka inona no nanolorana
13  'Ty voninkazo torantorana?

14  Karazan-doko mahakofona
15  Fa tsy hanitra na fofona,
16  Nony'njay atao an-tratra:
17  Henjankenjana mandratra.

18  Samy voninkazo ihany:
19  Ny iray velomin-tany,
20  Dokadoka, lenodenoka,
21  Misy fofo-maharenoka!
22  Samy voninkazo ihany:
23  Ny iray namboarina any ho any
24  Lafo vidy, sarotsarotra,
25  Entam-barotra! entam-barotra!

26  Samy fotsy, samy mena,
27  Samy ngita raha jerena.
28  Ny iray, fahaizana hosodoko;
29  Ny iray, kilalaon'ny foko!

30  Eto an-tany koa dia misy
31  Toerana amboarina indrisy!
32  Maka tahaka ny lanitra,
33  Nefa tsisy fofo-manitra.

Mis à jour le 2024/12/10