|
|
|
|

Entrée1  trondro
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina. Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka
Explications en anglais  4  [1.7] a goldfish acclimated in Madagascar
Explications en français  5  [1.8] poisson
Exemples  6  Raha telo sy efatra ny trondro azo dia atao lany tono ho solom-boangahazo ambara-piandry masaka. [2.470]
7  Be rano misy trondro eny manodidina rehetra eny. [2.472]
Vocabulaire  8  Zoologie: poissons
Mots composés 
Proverbes  11  Proverbes contenant le mot trondro

Mis à jour le 2024/12/07