Explications en malgache |
4 Radama I (±1793-1828, manjaka 1810-1828)
5 Valo ambin' ny folo taona Radama fony nanombaka nanjaka nandimby an-drainy ary nanjaka 18 taona. Na dia kelikely ray aza dia tsara toe-batana, maherihery maso, mavitribitrika ary nahagaga ny hakingan-tsainy nahaforonany eo ho eo ny zava-kendreny. Nisy Temoro roa lahy nampianatra azy nanoratra tamin' ny litera arabo. Ratsilikanina sy Andriamahazonoro no anaran' ireo Temoro nohafaran' Andrianampoinimerina hitaiza an-dRadama. ... [2.113]
|