|
|
|
|

Entrée1  Ny Tanindrazako
Mots élémentaires  2  tanindrazana
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur 
Editions  5  , 1907/02/22
Texte complet 
6  Mba mamiko toy ny tantely
7  Izay tanindrazako izay,
8  Fa toa fonenan’anjely
9  Tsaroako mandrakizay
10  Mba reko fa misy ny tany
11  ‘zay tsara dia tsara tokoa
12  ny ahy tsy latsak’izany
13  fa tany mba be zava-tsoa.

14  Ny rivotra izay mba mitsoka,
15  Mampody ny aiko tokoa
16  Ny volana tsy mba misoka,
17  Iriko ho endriny koa.

18  Ny vorona raha mihira,
19  Manaitra ny saina sy fo
20  Ny hazony miantso : “midira”
21  Fa eto no mahafa-po.

22  Ny taolan’Idada malala,
23  Mitana ny aiko ho ao,
24  Ny saiko dia toy ny adala,
25  Tsy miala fa ao aminao.
26  Mitana hiorina mafy
27  Ny tenan’Ineny tsy foy,
28  Aleoko ho olo-mihafy
29  Fa izy tsy azo nafoy
30  Fonenan’ny olo-malala,
31  Fonenan-tsy tiana ho lao,
32  Ny tiana tsy manan-tsahala
33  Tsy hita tsy ao aminao.

34  Ny kintana tena mazava
35  Mazava malefaka koa
36  Ny volana no mampisava
37  Ny aizina tsy mahasoa.

38  Ry tany malalako loatra,
39  Ny foko dia manina anao,
40  Na lavitra aza hihoatra,
41  Fa tsy tody raha tsy ao aminao.

42  Misento mahalana ihany
43  Ny foko raha lavitra anao
44  Ny hehiko zary tomany,
45  Ny tsiky tsy azo natao.

Mis à jour le 2024/12/26