|
|
|
|

Entrée1  Ny Salamoko
Mots élémentaires  2  salamo
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Andriamanjato Richard
Editions  6  , 1950
Texte complet 
7  Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
8  Izany nofoko tanora sy ny foko valabalaka,
9  Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
10  Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.

11  Ka ny lelako hiraikitra aminao ry lanilaniko,
12  Izany tànako an-kavanana hanadino, ka ny làlako
13  Hody haolo, feno dia, raha toa ka ny taniko
14  Tsy hahita izay famiratry ny jiron'ny fanalako.

15  Ho anao ry Tany mamy mahalala ny tantarako
16  No iriko hiasan'izay fihoitry ny finiavako,
17  Ho anao no niandohako, ho anao ny ora farako
18  Ho anao no hanakoan'izay ho akon'ny fitiavako.

19  Koa avaoziko eto indray izany fanoloran-tenako
20  Ka averiko ho tsaroana sy lazaiko mba ho fantatra :
21  Fa izaho (!) dia hanompo izany tany sy fonenako,
22  Ka ny Fireneko tiana no iriko mba ho sambatra !

23  Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
24  Izany nofoko tanora sy ny foko zary valaka,
25  Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
26  Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.

Mis à jour le 2024/12/26