6 Indrisy! nahoana, hono, lahy!
7 Matetika raha eto an-tany,
8 Tsy mety ny fo sy fanahy
9 Fa miherika ny andro efa lany,
10 Ka zavatra sendra voatsiahy,
11 Miserana fotsiny ihany,
12 Miteraka sento tsy nahy,
13 Indraika aza mampitomany?
14 Indrisy! nahoana, hono, mantsy
15 Ny andro mihelina itony,
16 Mitondra ny soa sy ny ratsy,
17 Tsy lasa dia tsy hita intsony
18 Fa mbola mazàna mihantsy
19 Ny olona hitondra lonjony,
20 Mametaka tombokavatsy
21 Tsy maty ao anatin' ny fony?
|
22 Indrisy! nahoana, hono, manko
23 Ny omaly tsy lasa dia miery,
24 Fa mbola mimpody malako
25 Toa maso mangala-pijery,
26 Toa feo averin' ny ako,
27 Miverina tsy misy very
28 Ka lasa vao manakotsako
29 Toa embona entina irery?
30 Indrisy! nahoana? - Satria,
31 Satria ny olon-drehetra
32 Natao ho faly doria,
33 Kanefa natao misy fetra:
34 Ny fony natao te-ho tia
35 Kanefa arahin' ny tsetra;
36 Ny Omaly sy Anio miara-dia,
37 Ny Omaly no mahery setra!
|