|
|
|
|

Entrée1  mitambotsotra
Partie du discours  2  verbe actif
Explications en malgache  3  [1.1] Midina ambany: Mitambotsotra ny pataloanao fa akaro
Mikorisa midina: Asondrotra foana io zaza io rehefa matory fa mitambotsotra lava izao
Mitaredretra: Nitambotsotra tany an-dalana ny anao ka tsy nahatratra sakafo
Mihena, mihaosa: Efa mitambotsotra ny sain' io antidahy io
Tsy mahajoro ka mianjera: Raha vao nahare ny nahafatesan-drainy izy dia torana ka nitambotsotra
Mitakemotra tsy sahy manohy fa miverina ilalana: Nitambotsotra Rakoto ka niala tsy hofidina indray ~ Telo no nitambotsotra tamin' ireo mpifaninana hazakazaka amin' ny tongomalady
Explications en anglais  4  [1.7] to sink, to slip down, to decrease
Explications en français  5  [1.3] s'affaiser, dégringoler
6  [1.3] glisser, diminuer de force, d'intelligence, reculer dans les honneurs
7  [1.8] diminuer; s'abaisser
Exemples  8  [1.3] Asondroty ny zaza kely izay ao am-babenao, fa mitambotsotra (Faites remonter plus haut l'enfant que vous portez sur le dos, parce qu’il glisse)
9  [1.3] mitambotsotra mandrakariva ao am-pandriana io zaza kely io (Ce petit enfant glisse toujours vers les pieds du lit en dormant, glisse toujours en bas de l'oreiller en dormant)
10  [1.3] mitambotsotra co ambonin’ ny entana ny lapoaly (La poêle glisse et se détache du paquet)
11  [1.3] Torana izy ka nitambotsotra (Il s évanouit et s'affaissa sur lui-même)
12  [1.3] Nitambotsotra ny am-piantany (La muraille a dégringolé)
13  [1.3] mitambotsotra ny sain’ io lahiantitra io (L’intelligence de ce vieillard diminue, baisse)
14  [1.3] Nitambotsotra tamin’ ny voninahiny izy (Il a reculé dans les honneurs)
Radical  15  tambotsotra
Morphologie 
16  Présent :
17  Passé :
18  Futur :
19  Impératif :
Dérivés 
20  Verbes actifs :
Mots composés 

Mis à jour le 2025/01/21