Entrée | 1 mitambotsotra |
Radical | 2 tambotsotra |
Partie du discours | 3 verbe actif |
Explications en malgache |
4 [1.1] Midina ambany: Mitambotsotra ny pataloanao fa akaro Mikorisa midina: Asondrotra foana io zaza io rehefa matory fa mitambotsotra lava izao Mitaredretra: Nitambotsotra tany an-dalana ny anao ka tsy nahatratra sakafo Mihena, mihaosa: Efa mitambotsotra ny sain' io antidahy io Tsy mahajoro ka mianjera: Raha vao nahare ny nahafatesan-drainy izy dia torana ka nitambotsotra Mitakemotra tsy sahy manohy fa miverina ilalana: Nitambotsotra Rakoto ka niala tsy hofidina indray ~ Telo no nitambotsotra tamin' ireo mpifaninana hazakazaka amin' ny tongomalady |
Explications en anglais |
5 [1.7] to sink, to slip down, to decrease |
Explications en français |
6 [1.3] s'affaiser, dégringoler 7 [1.3] glisser, diminuer de force, d'intelligence, reculer dans les honneurs 8 [1.8] diminuer; s'abaisser |
Exemples |
9 Asondroty ny zaza kely izay ao am-babenao, fa mitambotsotra (Faites remonter plus haut l'enfant que vous portez sur le dos, parce qu’il glisse) [1.3] 10 mitambotsotra mandrakariva ao am-pandriana io zaza kely io (Ce petit enfant glisse toujours vers les pieds du lit en dormant, glisse toujours en bas de l'oreiller en dormant) [1.3] 11 mitambotsotra co ambonin’ ny entana ny lapoaly (La poêle glisse et se détache du paquet) [1.3] 12 Torana izy ka nitambotsotra (Il s évanouit et s'affaissa sur lui-même) [1.3] 13 Nitambotsotra ny am-piantany (La muraille a dégringolé) [1.3] 14 mitambotsotra ny sain’ io lahiantitra io (L’intelligence de ce vieillard diminue, baisse) [1.3] 15 Nitambotsotra tamin’ ny voninahiny izy (Il a reculé dans les honneurs) [1.3] |
Morphologie |
|
Dérivés |
|
Mots composés |
|
Mis à jour le 2025/01/21 |