|
|
|
|

Entrée1  Mba zovy kosa ho' aho?
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Rajemisa-Raolison Régis
Texte complet 
5  Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-pahoriana
6  An-tanintsika eto natao toa hijaliana?
7  Ny eo tsy mbola lasa, ny sisa tamy ihany;
8  Indraika no mitsiky, impolo mitomany!

9  Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsorisory
10  An-tanintsika eto ka lavo loha matory?
11  Ny eo tsy mbola lasa, ny hafa tonga kosa,
12  Ka sorisory lava no zary miavosa!

13  Mba zovy kosa, ho' aho, no afaka ahiahy
14  Ka miramiran-dava milamina fanahy?
15  Ny omaly mampisento, ny ampitso mampiteby,
16  Ka hany sisa hery miseho somebiseby!

17  Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsentosento
18  Rah' mbola ka mandia 'ty fiainantsika eto?
19  Ny sasany tomany tsy raikitra fikasa,
20  Ny hafa mitoreo manembona ny lasa!

21  Rah' zany re no izy, angamba kosa lahy
22  Tsy eto an-tany eto no misy fifaliana,
23  Fa any an-koatra any, ka any ny Fanahy
24  No hangina samy irery tsy misy mpampangina!

Mis à jour le 2024/11/25