|
|
|
|

Entrée1  matoanteny
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny.
Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy:
a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra);
b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby);
d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana);
e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady);
f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby);
g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny);
h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana);
i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra);
j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra)
sokajinteny
4  [1.146#75] Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana.
5  [1.13] sokajin-teny afaka miovaova endrika
6  [1.62#738] sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy
Explications en français  7  [1.13, 1.5#208] verbe
Exemples  8  [2.296] Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao
9  [2.314] matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny
Vocabulaire  10  Linguistique
Mots élémentaires  11  matoa, teny
Mots composés 

Mis à jour le 2025/02/02