|
|
|
|

Entrée (1/2)1  manjombonjombona
Radical  2  jombonjombona
Partie du discours  3  verbe actif
Explications en malgache  4  [1.1]
Explications en français  5  [1.3#299] être obscure
Exemples  6  manjombonjombona ny hevitrao ka hazavao (Votre pensée est obscure, éclaircissez-la) [1.3#299]
7  manjombonjombona ny Tany, Toa malahelo, toa tomany; [1.255]
8  Tapaka teo ny resaka, ny andro manaraka, andro manjombonjombona, tsy nisy resaka firy. [2.499#81]
Morphologie 
9  Présent :
10  Passé :
11  Futur :
Titres  12  Manjombonjombona (Rafanoharana)

Entrée (2/2)13  Manjombonjombona
Mots élémentaires  14  manjombonjombona
Partie du discours  15  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  16  Littérature: poèmes
Auteur  17  Rafanoharana
Texte complet 
18  Manjombonjombona ny Tany...
19  Toa malahelo, toa tomany...
20  Ny ravinkazo efa maina
21  Voatsokan-drivotra maraina,
22  Indreo mihintsana dia lasa;
23  Ho aiza, hono, moa?… Asa!

24  Ny taho sisa, tsy mitafy
25  Midridridridry - voa mafy,
26  Miolanolana…. ! indrisy!
27  Mitady vonjy fa tsy misy!
28  Indreo ny sasany hampiasaina
29  Nazerazera, nokapaina.
30  Miboba ra, miala aina;
31  Malazo ireny; eny, maina!

32  Tanety maro, lohasaha,
33  Izao tsy manana mpizaha;
34  Marary ve?… mangavo-bolo
35  Toa tahom-bary bobongolo!

36  Tsy misy aina hita eny,
37  Ny lolo aza tsy mankeny;
38  Ny omby, ondry, tena noana;
39  Ho aiza anefa?… Mandry foana!

40  Anaty saha, an-jaridaina,
41  Ny voronkely very saina:
42  Tsy misy ravina ierena
43  Ka velon-tsento mahonena...
44  Ny lalana aza zary sina,
45  Ny tabatabany mangina;
46  Ny lanitra avy mitaraina...
47  Toa lasan-davitra ny aina.

48  Manjombonjombona ny Tany,
49  Toa malahelo, toa tomany;
50  Izay rehetra taza-maso
51  Dia nosomparan'ny ankaso.
52  " Nankaiza kosa ny masoandro,
53  Ilay mpanjakanao, ry andro?
54  Ny hanazava ve tsy tiany,
55  Sa semban-drahona ny diany" ?

56  Manjombonjombona ny Tany,
57  Toa malahelo, toa tomany...
58  Voahetsiketsiny ny Foko
59  Ka velon-tsento, mitoloko;
60  Ny ranomasoko dia tojo
61  Ny ranon'erika mijojo,
62  Fa ondry kely manim-bala
63  Mba te-hahita'reo malala.
64  Ho aiza anefa?… Hany hery
65  Manoso-menaka ny fery,
66  Dia fery velona tsy maty,
67  Manongotsongo ao anaty...
68  Manjombonjombona ny Tany,
69  Ny foko koa mba toy izany…

70  Ry fiononana antenaina,
71  Avia herezo koa ny saina!
72  Ry Ray mpandahatra ny eto,
73  Toneo ny foko tsy hisento!

Anagrammes  74 

Mis à jour le 2025/01/21