Explications en malgache |
4 [1.1] Maharesy, mandresy: Tsy hahomby ny zokinao akory inao, fa aza minaikanaika aminy
Ambinina, mahavoa tsara, mahazo vokatra tsara, misy vokany tsara: Nahomby ny zokiko tamin' ny fanadinana ~ Tsy nahomby ny tetik' ireo nandroba tany Toamasina
Mandaitra, afaka hanasitrana: Nahomby tokoa ny fanafody nomenao ahy fa vao nisotro eran' ny sotro aho dia nisinda ny aretin' andohako
(raha misy matoanteny eo aoriany): afaka hanao (asa iray) tsara: Tsy mahomby miasa tany izy
Tsara, vanona: Misaotra fa nahomby tokoa ny kilalaonareo, rankizy.
|