|
|
|
|

Entrée1  Hofa sandrin' ny lanitra
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Rajaofera Fredy
Texte complet 
5  Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo,
6  Avereno fa indrana, lamba mora miofo.
7  Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa,
8  Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!

9  Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka,
10  Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka .
11  Aty no azo antoka, tsy misy rebireby,
12  Avia modia, ry oloko, aza mba someby !

13  Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana,
14  Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana,
15  Aty no tsy mba miova, aty no volamena,
16  Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!

17  Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina,
18  Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina;
19  Aty no fitoazana ..., fararano lava,
20  Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .

21  Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy;
22  Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy.
23  Avelao ny havana voa lefona maranitra,
24  Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !

25  Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso,
26  Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso,
27  Ho inonao ny tany, mpamingana mandady,
28  Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!

29  Faharesena an-tany no lalan-tora-tady
30  Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady ,
31  An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy:
32  Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!

Mis à jour le 2024/12/10