Explications en malgache |
4 [1.10] fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an' Andriamanitra sy ny teniny ary ny fotondrany; -- fanekena sy fitokiana ho marina ny zavatra ambaran' olona , na ny fampanantenana omeny; -- fanekena amim-pahatokiana zavatra tsy hita maso, na ara-panahy, na tsy takatry ny saina, na tsy hay porofoina, nefa tsaorana ho misy, na ho marina. -- Miasa amin' ny zavatra rehetra momba ny fiainana andavanandro ny finoana. Indraindray dia vokatry ny fahitana sy ny fahalalana ny zavatra efa niseho teo aloha izy...
5 [1.1] Fitokiana izay voalazan' olona iray: Ny tsy finoanao ny teniko ihany izao no nahavoa anao
Herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso, noho ny filazan' Andriamanitra na ny irany: Tsara ny manana ny finoana nefa koa mbola tokony hampifanaraka aminy ny atao
Foto-kevitra iompanan' ny fivavahana iray: Ny finoana kristianina. / Mampiely ny finoana
6 [1.13] fandraisana sy fankatoavana hevitra na zavatra iray tsy ilana porofo fa atao tanteraka amin'ny fo tsy misy fihambahambana
|