|
|
|
|

Entrée1  Eny, alina
Mots élémentaires  2  eny, alina
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Zanamihoatra Randja
Texte complet 
6  - Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva
7  Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro
8  Mitsontsorika mankany :

9  Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva
10  Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro :
11  Ny hariva mitomany !

12  Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany,
13  He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra
14  Ito haizina eny an-dalany ;

15  Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany
16  Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra
17  Ny fiavin’ny malalany.

18  (Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... )
19  Eto anivo izao ny alina !

20  Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna...
21  Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany
22  Manalona etsy ambony ;

23  Lasalasana ambiroa irony morona fitana
24  Nony very poka teo izany feon’ny koratabany.
25  Eny, alina tokoany !

26  Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina !
27  Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina
28  Misafo manodidina

29  Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina
30  Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina
31  Ny vetso tsy hanidina ...

32  Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara !
33  Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo
34  Fiaretan-tory koa...

35  Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ;
36  Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo...
37  Eny, alina tokoa !

38  Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any !
39  O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina !
40  ‘Ndeha hiaraka hisaina

41  Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY”
42  Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina”
43  Mandra-piavin’ny Maraina.

Anagrammes  44 

Mis à jour le 2025/01/21