Entrée | 1 elefanta |
Partie du discours | 2 nom |
Explications en malgache |
3 Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanety, milanja hatramin' ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afa-tsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena ary nomena anarana hoe vangin' elefanta; ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainy ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta) [1.1] |
Explications en français |
4 éléphant [1.3] |
Exemples |
5 Tsy mba tongotr' elefanta ohatra ny fiteny intsony izany; [2.4] 6 Ny rambony kosa dia fohy noho ny an' ny elefanta any Asia. [1.38] 7 Ny elefanta no ampiasain-dry zareo Indianina hoenti-mamakivaky ireny ala ireny. [2.117] 8 Izy no nitondra ilay sampy vato mitarehina elefanta ary atao hoe Vatolambo, izay mbola ao Ambohitsara mandraka androany. [2.508] |
Vocabulaire |
9 Zoologie: mammifères |
Mis à jour le 2020/07/31 |