|
|
|
|

Entrée (1/2)1  Barsabasy
Partie du discours  2  nom propre (biblique) [Liste complète]
Explications en malgache  3  [1.38] Joda Barsabasy. Isan' ny olona nanan-kaja teo amin'ny Fiangonana tao Jerosalema izy (Asa 15. 22), ary mpaminany koa (and. 32). Izy sy Silasy no notendrena hiaraka tamin' i Paoly sy Barnabasy hitondra ny taratasy avy tamin' ny konsilia tany Jerosalema ho any amin' ny Fiangonana tao Antiokia, ete, hampahafantarana ny Jentilisa, izay efa tonga Kristiana, ny zavatra tokony hotandremany. Ary tsy dia nitondra ny taratasy fotsiny ihany izy, fa «namporisika ny rahalahy tamin' ny teny maro koa, ka nampahery azy » (and. 32). Rehefa nitoetra teo elaela ihany izy, dia «nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara », ka dia nody. Araka ny hevitry ny sasany, io Joda Barsabasy io dia rahalahin' i Josefa Barsabasy voalaza eo amin' ny Asa 1. 23, nefa tsy fantatra marina izany.
Explications en anglais  4  [2.996] Judas Barsabas
Explications en français  5  [2.996] Jude Barsabbas
Vocabulaire  6  Ecritures Saintes
Citations bibliques  7  Chapitres et versets citant Barsabasy

Entrée (2/2)8  Barsabasy
Partie du discours  9  nom propre (biblique) [Liste complète]
Explications en malgache  10  [1.38] Josefa Barsabasy. Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22). Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy.
Explications en anglais  11  [2.996] Joseph called Barsabas who was surnamed Justus
Explications en français  12  [2.996] Joseph Barsabbas
Vocabulaire  13  Ecritures Saintes
Citations bibliques  14  Chapitres et versets citant Barsabasy

Mis à jour le 2024/12/10