Texte complet |
6 Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra
7 Eto ambonin'ny tany;
8 Izay mila hoheverina ho mahafinaritra
9 Dia mihelina ihany.
10 Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra,
11 Hamantatra hatrany,
12 Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra
13 Tsy tratran'izany.
14 Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika
15 Ny fahasambarana,
16 Mitady harena izay andriany ilika
17 Tsy misy hasasarana:
18 Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika
19 Irony fianarana;
20 Kanefa nony azony, injay misy hiriky
21 Ny ankasomparana.
22 Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka
23 Fa feno ny soa.
24 Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka
25 Tsy hety ho voa,
26 Dia niandry ny farany ihany hamboraka
27 Ny niafina koa:
28 Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka;
29 Dia ny alok'akoho!
30 Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany
31 Tsy azo ihodivirana;
32 Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany,
33 Tiany hidirana,
34 Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany
35 Tsy azo ifikirana,
36 Fa ity tany ity, dia izany no toetrany
37 - Tsy azo ifandirana.
38 Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina
39 - Saiky matetika -
40 Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina,
41 Ka be fitetika,
42 Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina,
43 Hany ka mbetika
44 Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina
45 Iniany alentika.
46 Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra,
47 Hitako loatra
48 Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra
49 - Tsy afa-manoatra -
50 Ary hitako fa rehefa izany no atambatra,
51 Tsy misy hoatra
52 Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra,
53 Dia any Ankoatra.
54 Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina
55 - Tsy hisy fandavana -
56 Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona
57 Dia tsara hozahavana
58 Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina
59 Ny fiainana, rahavana,
60 Tsotra io:
61 rantsano izay manelingelina
62 Ny fifankatiavana.
|
|