|
|
|
|

Entrée1  anaran-tsamirery
Mots élémentaires  2  anarana, samirery
Partie du discours  3  nom
Vocabulaire  4  Linguistique
Explications en malgache  5  Ny atao hoe anaran-tsamirery dia ny anarana milaza olona na biby na zavatra tsirairay avy, ka entina mampiavaka azy amin' ny hafa mitovy karazana aminy. Ohatra: Andrinampoinimerina, Naivo, Alaotra.
6  Ireto avy no mety hanana anaran-tsamirery: ny olona (Rabe), ny biby (Imaromainty), ny tany (Madagasikara), ny faritany (Imamo), ny tanàna (Antananarivo), ny tendrombohitra (Andringitra), ny renirano (Mangoro), ny farihy (Alaotra), ny mponina amin' ny tany iray (Malagasy).
7  Atao soratra vaventy mandrakariva ny voalohan-tsoratry ny anaran-tsamirery, afa-tsy ny anara-mponina raha ampiasaina ho mpamaritra anarana izy, ary soratana teny iray daholo ny teny rehetra natambatra manaovana azy. Ohatra: Anisan' ny tonga teto voalohany ny Arabo ~ Ny hoe mizana dia teny arabo. [1.146#41]
Explications en anglais  8  name [3.1]
Explications en français  9  nom propre [3.1]
Exemples  10  Tokony ho anaram-bosotra tsotra izy io rehefa tsy anaran-tsamirery [1.519]

Mis à jour le 2024/10/18