|
|
|
|

Entrée (1/2)1  amena
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany
Exemples  4  Vita ny amena, dia tapitra ny ainy. [2.649]
5  Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena. [2.996]
Vocabulaire  6  Religions, Croyances
Titres  7  Amena (Raoely James)

Entrée (2/2)8  Amena
Mots élémentaires  9  amena
Partie du discours  10  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  11  Littérature: poèmes
Auteur  12  Raoely James
Texte complet 
13  Tsy avona akory no mitondra
14  iny rahona iny hisavoana,
15  Fa mba toa azy koa ny foko,
16  maniry hisondrotra ambony!

17  Tonga ny taona vaovao
18  mitondra hira mavokely
19  hokaloin'ny voron'alina,
20  sombinaiko ô, mifohaza!

21  Avelao ny alahelo sy ranomaso
22  hoentin'ny reniranom-panadinoana,
23  Fa misy kintana iray baliaka
24  toy ny masonao diavolana,
25  hitarika antsika ho teraka indray
26  ao amin'ny fanantenana vaovao.

27  Amin'ny tany triatran'ny ririnina
28  no hamelatra indray ny voninkazo.

29  Sombinaiko ô, iriko ho anao
30  taona iray feno hanitra sy hira.
31  Iriko ho anao lanitra menafify
32  hampialona ny laoranjy masaka,
33  sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
34  toy ny vavaky ny ankizy hatory.
35  Iriko ho anao ny fotoana mamy
36  hiverenan'ireo lasan-davitra;
37  ary ny tanana iray malefadefaka
38  hitondra safosafo eo an-dohanao
39  mivesatra ny onjan'ny tany.

40  Dia hiarahantsika manandratra
41  Ny Amena fiton'ny fitiavana .

Anagrammes  42 

Mis à jour le 2025/01/21