<- -> |
[King James Bible] The Song of Songs |
[Baiboly 1865] Tononkira |
[Baiboly Katolika] Tononkira |
[Bible de Jérusalem] Le Cantique des Cantiques |
|||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||
Ton 5:1 | I am come into my garden, my sister, my spouse: I have gathered my myrrh with my spice; I have eaten my honeycomb with my honey; I have drunk my wine with my milk: eat, O friends; drink, yea, drink abundantly, O beloved. | Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin' ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin' ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin' ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala. | Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo, efa nioty ny mirako aman-java-manitro aho; efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho...! efa nisotro ny divay aman-drononoko aho...! Mihinana, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, hianareo olon-tiako! | J' entre dans mon jardin, ma soeur, ô fiancée, je récolte ma myrrhe et mon baume, je mange mon miel et mon rayon, je bois mon vin et mon lait. |
|||||||||
Ton 5:2 | I sleep, but my heart waketh: it is the voice of my beloved that knocketh, saying, Open to me, my sister, my love, my dove, my undefiled: for my head is filled with dew, and my locks with the drops of the night. | Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon' ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton' ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan' ny andon' ny alina. | Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko... Injay ny feon' ny malalako! Mandondona izy: - Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako, ry voromailalako, ry ahy tsy misy pentina; fa vonton' ny ando ny lohako, kotsan' ny andon' ny alina ny voloko voalantolanto. - | Je dors, mais mon coeur veille. J' entends mon bien-aimé qui frappe. " |
|||||||||
Ton 5:3 | I have put off my coat; how shall I put it on? I have washed my feet; how shall I defile them? | Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy? | Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana no fiakanjo indray? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy indray. | - " J' ai |
|||||||||
Ton 5:4 | My beloved put in his hand by the hole of the door, and my bowels were moved for him. | Nampiditra ny tànany teo amin' ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko. | Ny malalako mampidi-tanana amin' ny loaky ny hidim-baravarana, ka nangoraka azy ny foko. | Mon bien-aimé a passé la main par la fente, et pour lui mes entrailles ont frémi. | |||||||||
Ton 5:5 | I rose up to open to my beloved; and my hands dropped with myrrh, and my fingers with sweet smelling myrrh, upon the handles of the lock. | Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon' ny miora teo amin' ny famohana ny hidin-trano. | Dia nitsangana aho namoha ny malalako, ary nitete mira ny tanako, ny mira tsara indrindra avy amin' ny rantsan-tanako, nihanaka teo amin' ny famohan-karetsaka. | Je me suis levée pour ouvrir à mon bien-aimé, et de mes mains a dégoutté la myrrhe, de mes doigts la myrrhe vierge, sur la poignée du verrou. | |||||||||
Ton 5:6 | I opened to my beloved; but my beloved had withdrawn himself, and was gone: my soul failed when he spake: I sought him, but I could not find him; I called him, but he gave me no answer. | Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin' ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany. | Namoha trano ny malalako aho; kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy. Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy. Nitady azy aho, nefa tsy nahita; niantso azy, nefa tsy novaliany. | J' ai ouvert à mon bien-aimé, mais tournant le dos, il avait disparu! Sa fuite m' a fait rendre l'âme. Je l' ai cherché, mais ne l' ai point trouvé, je l' ai appelé, mais il n' a pas répondu! | |||||||||
Ton 5:7 | The watchmen that went about the city found me, they smote me, they wounded me; the keepers of the walls took away my veil from me. | Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako. | Nifanehatra tamiko ny mpiambina, dia ireo izay misafo ny tanana alina; ka nokapohiny nataony mangana aho; nendahin' ireo mpiambina ny manda ny lambako. | Les gardes m' ont rencontrée, ceux qui font la ronde dans la ville. Ils m' ont frappée, ils m' ont blessée, ils m' ont enlevé mon manteau, ceux qui gardent les remparts. | |||||||||
Ton 5:8 | I charge you, O daughters of |
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin' i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho. | Miangavy anareo aho, ry zanakavavin' i Jerosalema, raha mahita ny malalako hianareo, ahoana no holazainareo aminy...? - Mararim-pitia aho. - | Je vous en conjure, filles de |
|||||||||
Ton 5:9 | What is thy beloved more than another beloved, O thou fairest among women? what is thy beloved more than another beloved, that thou dost so charge us? | Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin' ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao? | Inona no ihoaran' ny malalanao nohon' ny malala hafa, ry tsara tarehy indrindra amin' ny vehivavy? Inona no ihoaran' ny malalanao, nohon' ny malala hafa, no dia miangavy anay toy izao hianao? | Qu' a donc ton bien aimé de plus que les autres, ô la plus belle des femmes ? Qu' a donc ton bien-aimé de plus que les autres, pour que tu nous conjures de la sorte ? | |||||||||
Ton 5:10 | My beloved is white and ruddy, the chiefest among ten thousand. | Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin' ny alinalina. | Ny malalako dia mandina sy menamena, notsongaina tamin' ny iray alina. | Mon bien-aimé est frais et vermeil, il se reconnaît entre dix mille. | |||||||||
Ton 5:11 | His head is as the most fine gold, his locks are bushy, and black as a raven. | Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika. | Volamena madio ny lohany; malefaka hoatra ny sampam-palafa ny volony milantolanto, sady mangilohilo toy ny goaika. | Sa tête est d' or, et d' un or pur; ses boucles sont des palmes, noires comme le corbeau. | |||||||||
Ton 5:12 | His eyes are as the eyes of doves by the rivers of waters, washed with milk, and fitly set. | Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan' ny sakeli-drano, mandro amin' ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy. | Ny masony tahaka ny voromailala amoron-tsakeli-drano, mandro amin' ny ronono, mipetraka amin' ny morona. | Ses yeux sont des colombes, au bord des cours d' eau se baignant dans le lait, posées au bord d' une vasque. | |||||||||
Ton 5:13 | His cheeks are as a bed of spices, as sweet flowers: his lips like lilies, dropping sweet smelling myrrh. | Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon' ny miora. | Ny takolany tahaka ny kisahasahan-kazo mitete dity manitra, sy toritory fambolena hazo manitra: lisy ny molony, izay mitete mira faran' izay madio. | Ses joues sont comme des parterres d' aromates, des massifs parfumés. Ses lèvres sont des lis; elles distillent la myrrhe vierge. | |||||||||
Ton 5:14 | His hands are as gold rings set with the beryl: his belly is as bright ivory overlaid with sapphires. | Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira; | Ny tanany dia anjam-bolamena, voaisy vatosoa avy any Tarisisa: ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra, voaisy safira betsaka. | Ses mains sont des globes d' or, garnis de pierres de |
|||||||||
Ton 5:15 | His legs are as pillars of marble, set upon sockets of fine gold: his countenance is as |
Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin' ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an' i Libanona, tsara toy ny sedera. | Ny ranjony andry vatosanga, miorina amin' ny faladia volamena madio. Ny tarehiny tahaka an' i Libana, bikana toy ny hazo sedera. | Ses jambes sont des colonnes d' albâtre, posées sur des bases d' or pur. Son aspect est celui du |
|||||||||
Ton 5:16 | His mouth is most sweet: yea, he is altogether lovely. This is my beloved, and this is my friend, O daughters of |
Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin' i Jerosalema! | Mamy dia mamy ny vavany, ary mahatehotia avokoa ny tenany. Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako, ry zanakavavin' i Jerosalema. | Ses discours sont la suavité même, et tout en lui n' est que charme. Tel est mon bien-aimé, tel est mon époux, filles de |
|||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] The Song of Songs |
[Baiboly 1865] Tononkira |
[Baiboly Katolika] Tononkira |
[Bible de Jérusalem] Le Cantique des Cantiques |