|
|
|
|

Entrée1  Ny Varavarankelinao
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet 
5  Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako 6  Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely 7  Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako 8  Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely. 9  Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany, 10  Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa ! 11  Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany 12  Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo… 13  Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao… 14  Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ? 15  Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena… 16  Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao, 17  Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao. 18  Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.

Mis à jour le 2025/05/06