|
|
|
|

Entrée1 Ny Abidin' ny toaka
Mots élémentaires  2abi, 3toaka
Partie du discours  4 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5 Littérature: poèmes
Auteur  6Rajaonary
Texte complet  7 Adala ny olona izay tia toaka
8 Adabok' ireny ny vola ka lany
9 Ataony ambody barika avy hatrany
10 Areti-mandoza no vokatr' izany

11 Bedain' ny sasany ilay tia toaka
12 Babon' ny Satana ny fony rehetra
13 Barika mandeha toa manjoretra
14 Baikoan' ny vola tsy misy fetra

15 Doran' ny sain' ilay tia toaka
16 Daka diamanga ireo mampijaly azy
17 Difotra ny ainy tsy vazivazy
18 Daroka sisa no mananatra azy

19 Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka
20 Eso, latsa no ravakin' ny androny
21 Efa lefy matroka izato masoandrony
22 Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny

23 Fasana no miandry an' ilay tia toaka
24 Fongana avokoa izay hany fananany
25 Fandrika miandry ny lalan-kalehany
26 Fonja manjohy ka mitady ny tenany

27 Godraka ny tenan' ilay tia toaka
28 Gaga ny olona mijery ny toetrany
29 Gidragidra lava no androm-piainany
30 Gaigy sy romotra no fomba fijeriny

31 Hetahatan' adala ny an' ilay tia toaka
32 Hevitra taingina no avoakan' ny vavany
33 Henatra baraka no mameno ny tenany
34 Hosoka halatra no fihetsiketsehany

35 Iza no mba havan' ilay tia toaka
36 Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
37 Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy
38 Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany

39 Janga no lalan' ilay tia toaka
40 Jereny ny marina toa fahavalony
41 Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
42 Jonon' ny Satana izy fa tena rembiny

43 Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
44 Kamboty velona ireto taranany
45 Kitratraina ny vady aman-janany
46 Kamo be tenda no tena talentany

47 Lova ratsy no anjaran' ilay tia toaka
48 Lany ny harena noho ity fahadalany
49 Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
50 Lalan' ny helo no indro izorany

51 Mangozohozo ny tenan' ilay tia toaka
52 Mikainkona ny voa vokatr' izany
53 Matimaty foana ny vady aman-janany
54 Mijaly maloka no fiafaran' ny fiainany

55 Nahoana no manjombona ilay tia toaka
56 Nanafina ny tava noho izato ditrany
57 Natahotra sao hijinja ny vokany
58 Ny antson' i Jesoa tsy nasiany dikany

59 Ozona no miandry an' ilay tia toaka
60 Olona meloka ireto taranany
61 Ory misento ny androm-piainany
62 Omby mahia tsy lelafin' ny namany

63 Potika ny androm-piainan' ilay tia toaka
64 Potraka faona ka hopitaly no tranony
65 Pentina sisa no mamantatra ny tenany
66 Peratra saro-tavohangy no hany ravany

67 Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka
68 Ratsy fitafy izato vady aman-janany
69 Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
70 Ratra, rangotra no valim-pananarany

71 Sempotra lava ilay tia toaka
72 Sady bila fandeha no mena ny masony
73 Safotra miakatra ambony ny tosidrany
74 Sahirana lava ka makanimakany

75 Taranaka mijaly ny an' ilay tia toaka
76 Tenany very ary koa izato hajany
77 Tapitra sy velona ny fahasambarany
78 Tranomaizina no toa mba anjarany

79 Voa mikainkona sisa ny an' ilay tia toaka
80 Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany
81 Very haja ny tenany fa lany izato harenany
82 Vitsika mandady avy toa tsy matiny

83 Zara raha velona ity tia toaka
84 Zovy no manana fo mifora sabora
85 Zovy no mpangataka voa korakora
86 Zatovo naditra iny fony Tanora

Mis à jour le 2025/09/13