|
|
|
|

Entrée1  Ny Abidin' ny toaka
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  abi, toaka
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajaonary
Texte complet 
6  A 7  Adala ny olona izay tia toaka 8  Adabok' ireny ny vola ka lany 9  Ataony ambody barika avy hatrany 10  Areti-mandoza no vokatr' izany 11  12  Bedain' ny sasany ilay tia toaka 13  Babon' ny Satana ny fony rehetra 14  Barika mandeha toa manjoretra 15  Baikoan' ny vola tsy misy fetra 16  17  Doran' ny sain' ilay tia toaka 18  Daka diamanga ireo mampijaly azy 19  Difotra ny ainy tsy vazivazy 20  Daroka sisa no mananatra azy 21  22  Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka 23  Eso, latsa no ravakin' ny androny 24  Efa lefy matroka izato masoandrony 25  Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny 26  27  Fasana no miandry an' ilay tia toaka 28  Fongana avokoa izay hany fananany 29  Fandrika miandry ny lalan-kalehany 30  Fonja manjohy ka mitady ny tenany 31  32  Godraka ny tenan' ilay tia toaka 33  Gaga ny olona mijery ny toetrany 34  Gidragidra lava no androm-piainany 35  Gaigy sy romotra no fomba fijeriny 36  37  Hetahatan' adala ny an' ilay tia toaka 38  Hevitra taingina no avoakan' ny vavany 39  Henatra baraka no mameno ny tenany 40  Hosoka halatra no fihetsiketsehany 41  42  Iza no mba havan' ilay tia toaka 43  Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany 44  Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy 45  Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany 46  47  Janga no lalan' ilay tia toaka 48  Jereny ny marina toa fahavalony 49  Jesoa halany ka tsy ankasitrahany 50  Jonon' ny Satana izy fa tena rembiny 51  52  Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka 53  Kamboty velona ireto taranany 54  Kitratraina ny vady aman-janany 55  Kamo be tenda no tena talentany 56  57  Lova ratsy no anjaran' ilay tia toaka 58  Lany ny harena noho ity fahadalany 59  Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny 60  Lalan' ny helo no indro izorany 61  62  Mangozohozo ny tenan' ilay tia toaka 63  Mikainkona ny voa vokatr' izany 64  Matimaty foana ny vady aman-janany 65  Mijaly maloka no fiafaran' ny fiainany 66  67  Nahoana no manjombona ilay tia toaka 68  Nanafina ny tava noho izato ditrany 69  Natahotra sao hijinja ny vokany 70  Ny antson' i Jesoa tsy nasiany dikany 71  72  Ozona no miandry an' ilay tia toaka 73  Olona meloka ireto taranany 74  Ory misento ny androm-piainany 75  Omby mahia tsy lelafin' ny namany 76  77  Potika ny androm-piainan' ilay tia toaka 78  Potraka faona ka hopitaly no tranony 79  Pentina sisa no mamantatra ny tenany 80  Peratra saro-tavohangy no hany ravany 81  82  Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka 83  Ratsy fitafy izato vady aman-janany 84  Raiki-tahotra raha mahita ny tavany 85  Ratra, rangotra no valim-pananarany 86  87  Sempotra lava ilay tia toaka 88  Sady bila fandeha no mena ny masony 89  Safotra miakatra ambony ny tosidrany 90  Sahirana lava ka makanimakany 91  92  Taranaka mijaly ny an' ilay tia toaka 93  Tenany very ary koa izato hajany 94  Tapitra sy velona ny fahasambarany 95  Tranomaizina no toa mba anjarany 96  97  Voa mikainkona sisa ny an' ilay tia toaka 98  Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany 99  Very haja ny tenany fa lany izato harenany 100  Vitsika mandady avy toa tsy matiny 101  102  Zara raha velona ity tia toaka 103  Zovy no manana fo mifora sabora 104  Zovy no mpangataka voa korakora 105  Zatovo naditra iny fony Tanora

Mis à jour le 2025/07/29