6 Injany re tsitapitapy
7 Any an-tendrombohitra any
8 Ny firefotry ny japy.
9 Rivorivo be mifioka !
10 Izay nandraraka an'izany?
11 Tovolahy mampiady sioka.
12 Mpiandry omby maro andiany
13 Mihosy ahitra efa hoto
14 Fa avy ny hariva hodiany.
15 Sady milalao no miasa,
16 Misakana omby tsy hifanoto;
17 Fa nivadika ny rasa…
18 Ka manenjana salaka
19 Ny vantobanto-jazalahy
20 Manao tolona sy daka.
21 Manatanja-tena izy
22 Ho mahery toa ombalahy
23 Fa efa maika tsy ho ankizy!