|
|
|
|

Entrée1  Mpiandry omby
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  mpiandry, omby
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Andriarimalala René
Texte complet 
6  Injany re tsitapitapy 7  Any an-tendrombohitra any 8  Ny firefotry ny japy.
9  Rivorivo be mifioka ! 10  Izay nandraraka an'izany? 11  Tovolahy mampiady sioka.
12  Mpiandry omby maro andiany 13  Mihosy ahitra efa hoto 14  Fa avy ny hariva hodiany.
15  Sady milalao no miasa, 16  Misakana omby tsy hifanoto; 17  Fa nivadika ny rasa…
18  Ka manenjana salaka 19  Ny vantobanto-jazalahy 20  Manao tolona sy daka.
21  Manatanja-tena izy 22  Ho mahery toa ombalahy 23  Fa efa maika tsy ho ankizy!

Mis à jour le 2025/05/06