Explications en malgache |
4 Manisy anarana: Ikoto no niantsoana azy fony kely
5 Mamory olona mba hanatrika na ho tonga amin' ny..., manaika, manainga: Niantso ny fokonolona ny lehiben' ny tanàna fa nisy zava-dehibe nodinihina
6 Manonona tsirairay: Raha efa izany, dia niantso ny anaran' ny miaramila tsirairay ny kapiteny
7 Maka, manao izay hahatongavana: Moa ve efa nisy niantso ny dokotera?
8 Milaza, mamoaka ampahibemaso: Hiantso kabary, hono ny filohan' ny Nosy amin' ny volana mey
9 Mangataka, mitalaho: Miantso ny anaran' ny Tompo
10 Manendry, mifidy: Niantso an-dRanona ho lehiben' ny raharaham-bahiny ny filohan' ny governemanta
11 Manome na mametraka adidy, mandidy, mandodona: Miantso anao ny tanindrazana ka mahereza fo! [1.1]
|