Entrée antso
Partie du discours nom
Définition malgache Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy [Rajemisa 1985]
Définition anglaise a call, a summons [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 an invocation [Richardson 1885]
Définition française appel, convocation [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 publication, proclamation, invocation [Abinal 1888]
Exemples 
1hoy ny antso avo afitsony. [Andriamalala: Fanagasiana, page 5]
2Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [Andraina: Mitaraina, page 217]
3Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [Randzavola: Baiboly, page 911]
Dérivations 
Mots composés, titres, noms 

Entrée antso
Partie du discours nom
Définition française  [Sakalava] (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique. [Boiteau: Végétaux]
Vocabulaire 
Nom scientifique Euphorbia antso

Entrée Antso
Partie du discours nom propre (titre de poème)
Auteur Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres
Texte Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy

Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Entrée Antso
Partie du discours nom propre (titre de livre ou pièce)
Auteur Andriamalala Emilson Daniel, 1943
Maison d' édition . 1961.
Dimensions Pages: 53.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

2018/11/07