|
|
|
|

Entrée1  Eny, alina
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  eny, alina
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Zanamihoatra Randja
Texte complet 
6  - Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva 7  Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro 8  Mitsontsorika mankany :
9  Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva 10  Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro : 11  Ny hariva mitomany !
12  Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany, 13  He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra 14  Ito haizina eny an-dalany ;
15  Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany 16  Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra 17  Ny fiavin’ny malalany.
18  (Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... ) 19  Eto anivo izao ny alina !
20  Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna... 21  Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany 22  Manalona etsy ambony ;
23  Lasalasana ambiroa irony morona fitana 24  Nony very poka teo izany feon’ny koratabany. 25  Eny, alina tokoany !
26  Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina ! 27  Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina 28  Misafo manodidina
29  Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina 30  Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina 31  Ny vetso tsy hanidina ...
32  Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara ! 33  Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo 34  Fiaretan-tory koa...
35  Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ; 36  Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo... 37  Eny, alina tokoa !
38  Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any ! 39  O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina ! 40  ‘Ndeha hiaraka hisaina
41  Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY” 42  Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina” 43  Mandra-piavin’ny Maraina.

Anagrammes  44  Eny, alina, naelinay, nelainay

Mis à jour le 2025/07/29