|
|
|
|

Entrée (1/3)1  alakamisy
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi). Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina. Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa. Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho.. [1.10]
4 andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina.. [1.1]
Explications en anglais  5 Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.]. [1.2]
6 Thursday. [1.7]
Explications en français  7 jeudi. [1.3, 1.8, 1.5, 1.14]
8 Amin'ny alakamisy (À jeudi).
9 Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nuit du mercredi). [1.5]
10 jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi]. [Tanala] [1.6]
Exemples  11  Tamy ny andro alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [2.59]
12  Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [2.324]
Vocabulaire  13  Temps
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tous les mots composés  22  3 combinaisons de ce mot
Proverbes  23  Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  24  Mesure du temps

Entrée (2/3)25  alakamisy
Partie du discours  26  nom
Explications en malgache  27 hazo anaovana fanafody Crateva excelsa..
28 Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens).. [1.1]
Explications en anglais  29 a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion..
30 Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head.. [1.2]
31 Burasaia crateva. [2.515]
Explications en français  32 arbre dont on fait des remèdes.. [1.3]
33 nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques.. [Tankarana] [1.19]
34 (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement :. [Bezanozano]
35 Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae)..
36 Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae)..
37 Crateva excelsa Bojer (Capparaceae)..
38 Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae)..
39 Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae).. [1.196]
Exemples  40  alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [2.48]
Vocabulaire  41  Botanique: plantes médicinales
Nom scientifique 
Citations  42  Textes citant ce mot

Entrée (3/3)43  Alakamisy
Mots élémentaires  44 alakamisy
Partie du discours  45  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  46 Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo.. [1.10]
47 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.. [1.1]
Explications en anglais  48 the place where Thursday's market is held.. [1.2]
Explications en français  49 les marchés du jeudi: l'emplacement du marché. [1.3]
50 marchés du jeudi.. [1.5]
Exemples  51  Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina [2.48]
Coordonnées  -18.5333333+47.9333333|-18.65+47.7|-18.8333333+46.5666667|-20.2+47.3166667|-20.45+47.2833333|-21.9+46.9166667
Vocabulaire  52  Géographie: agglomérations

Anagrammes  53 alakamisy, Alakamisy, 54 misaliaka

Mis à jour le 2025/11/12