Entrée | 1 Antsam-pitiavana |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 antsa, fitiavana |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
6 Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako… 7 Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako… 8 Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako 9 Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… ! 10 Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko… 11 Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko ! 12 Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy ! 13 Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy ! 14 Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako ! 15 Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako! 16 Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany ! 17 Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio… 18 Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio : 19 Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany ! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |