|
|
|
|

Entrée (1/3)1  alakamisy
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy;
4 Soehily Alhamisi).
5 Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana;
6 andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana;
7 andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra.
8 Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora,
9 sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo,
10 fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany".
11 Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo;
12 Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora.
13 Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo,
14 Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.
15 
16 Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo:
17 nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka)
18 sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana;
19 ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao,
20 alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa:
21 mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona,
22 ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny
23 noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava.
24 Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.
25 
26 Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy,
27 Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa:
28 Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. --
29 Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka.
30 Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny
31 mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. --
32 Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro
33 ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [1.10]
34 andro fahadimy amin'ny herinandro.
35 Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny
36 Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana,
37 fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany;
38 andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty,
39 dia miandry zoma alevina. [1.1]
Explications en anglais  40 Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [1.2]
41 Thursday [1.7]
Explications en français  42 jeudi [1.3, 1.8, 1.5, 1.14]
43 Amin'ny alakamisy (À jeudi)
44 Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nuit du mercredi) [1.5]
45 jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [Tanala] [1.6]
Exemples  46  Tamy ny andro alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [2.59]
47  Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [2.324]
Vocabulaire  48  Temps
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tous les mots composés  57  3 combinaisons de ce mot
Proverbes  58  Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  59  Mesure du temps

Entrée (2/3)60  alakamisy
Partie du discours  61  nom
Explications en malgache  62 hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
63 Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [1.1]
Explications en anglais  64 a tree used in house-building.
65 It is said to be brought from the forest only on Thursdays,
66 hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and
67 indigestion.
68 Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava
69 as a medecine for pains in the head. [1.2]
70 Burasaia crateva [2.515]
Explications en français  71 arbre dont on fait des remèdes. [1.3]
72 nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [Tankarana] [1.19]
73 (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste.
74 Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles.
75 Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes.
76 Ce sont principalement : [Bezanozano]
77 Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
78 Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
79 Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
80 Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
81 Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [1.196]
Exemples  82  alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [2.48]
Vocabulaire  83  Botanique: plantes médicinales
Nom scientifique 
Citations  90  Textes citant ce mot

Entrée (3/3)91  Alakamisy
Mots élémentaires  92 alakamisy
Partie du discours  93  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  94 Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina
95 dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra,
96 dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo,
97 Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana
98 (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy,
99 Talatan'i Volonondry no fahenina,
100 Alarobian'Amboanjobe no fahafito --
101 ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny
102 filaharan'ny andron'ny ntaolo. [1.10]
103 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explications en anglais  104 the place where Thursday's market is held. [1.2]
Explications en français  105 les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [1.3]
106 marchés du jeudi. [1.5]
Exemples  107  Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina [2.48]
Vocabulaire  108  Géographie: agglomérations

Anagrammes  Alakamisy, alakamisy, 109 misaliaka

Mis à jour le 2025/11/21