Index

Proverbes : mpangalatra

Proverbe Mpialin-drafia nahazo mpangalatra : vonona raha hamatorana. [Samson 1965 #M141]
Mpialin-drafia nahazo mpangalatra: voñona hafatotra hamatorana. [Houlder 1895]
Mpivaro-drofia nahazo mpangalatra, ka vonona ny tady hamatorana. [Rinara 1974 #2637]
Mpivaro-drofia nahazo mpangalatra : vonona ny kofehy hamatorana. [Veyrières 1913 #4307, Cousins 1871 #1998]
Interprétation malgache Mpaka rofia nahazo mpangalatra: vonona ny kofehy hamatorana. [Houlder 1895]
Traduction française Quand un marchand de raphia arrête un voleur, il a le lien tout prêt pour le garrotter. [Veyrières 1913 #4307]

Proverbe Olona iray no nangalatra akoho tao Alasora, ka ny terak' Alasora rehetra no natao hoe mpangalatra akoho. [Rajemisa 1966]
Traduction française Un seul homme a volé un poulet à Alasora et tous les natifs d' Alasora furent qualifiés de voleurs de poulet. [Rajemisa 1966]
Interprétation française Ce proverbe vise ceux qui ont tendance à généraliser à partir d'un cas particulier. [Rajemisa 1966]

Proverbe Tsy miantra ny mahantra, ohatra ny mpangalatra. [Rinara 1974]
Tsy miantra ny ory, ohatra ny mpangalatra. [Cousins 1871]

Index