Explications en malgache |
4 Ny atao hoe anaran-tsamirery dia ny anarana milaza olona na biby na zavatra tsirairay avy, ka entina mampiavaka azy amin' ny hafa mitovy karazana aminy. Ohatra: Andrinampoinimerina, Naivo, Alaotra.
5 Ireto avy no mety hanana anaran-tsamirery: ny olona (Rabe), ny biby (Imaromainty), ny tany (Madagasikara), ny faritany (Imamo), ny tanàna (Antananarivo), ny tendrombohitra (Andringitra), ny renirano (Mangoro), ny farihy (Alaotra), ny mponina amin' ny tany iray (Malagasy).
6 Atao soratra vaventy mandrakariva ny voalohan-tsoratry ny anaran-tsamirery, afa-tsy ny anara-mponina raha ampiasaina ho mpamaritra anarana izy, ary soratana teny iray daholo ny teny rehetra natambatra manaovana azy. Ohatra: Anisan' ny tonga teto voalohany ny Arabo ~ Ny hoe mizana dia teny arabo. [1.146#41]
|