|
|
|
|

Entrée1  Ilay reny tsy miteny
Mots élémentaires  2  ilay, reny, tsy, miteny
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Eliza Freda
Texte complet 
6  Ao ambany
7  Dongon-tany,
8  Ao anaty
9  Vatam-paty,
10  Misy Reny
11  Tsy miteny
12  Hatry ny ela
13  No tavela ...

14  Reny tiana
15  Nitosiana
16  'Lay nitondra
17  Fo diamondra!
18  Fo malala
19  Tsy mba niala;
20  Niara-paly
21  Sy nijaly!

22  Fony izaho
23  Maitso taho,
24  Raozin'aina
25  Nolalaina ...
26  Fony mbola
27  Niangola,
28  Nisakafo
29  Safosafo!

30  Tambitamby
31  Manana amby;
32  Rotsirotsy
33  Volafotsy;
34  Mamikely
35  Toa tantely:
36  Samy vita.
37  Samy hita ...

38  Ndrisy anefa.
39  Fa nilefa ...
40  Nofy ihany
41  Mantsy izany;
42  Torotoro
43  'Lay nijoro!
44  Voninkazo
45  Ka nandazo!
46  Taolambalo
47  Mampimalo
48  No mba sisa
49  Voatanisa ...
50  Hodi-tava
51  Ravarava
52  No mba hany
53  Tratra tany ...

54  Very toky
55  'Zao ny zoky!
56  Folaka andry
57  'Reto zandry,
58  Diso angoty
59  Fa kamboty!
60  Vao maraina
61  Dia nangaina!

62  Eny ho eny,
63  Misy reny;
64  Toa tsy hafa
65  Raha mitafa;
66  Hoatra an'iny
67  'Lay fahiny,
68  Saingy ts'izy!
69  Dray! rankizy.

70  'Zany foko
71  Mitoloko ...
72  Feno loatra
73  Ka mandroatra;
74  Manin-dreny
75  Mba hiteny,
76  Manontany
77  'Zay nombany.

78  Hono lahy,
79  Ry fanahy:
80  Mba tsinjovy
81  Ka tsarovy;
82  Aiza ho aiza
83  'Lay nitaiza?
84  Aiza indrindra
85  No nifindra?
86  Fa maniry
87  Te-hikiry
88  'Tony saina
89  Noratraina ...
90  N'aiza tany
91  Niantefany,
92  Any aho
93  No apetraho!

94  O! ry Neny,
95  'Zao no teny,
96  Ka raiketo
97  Farany eto:
98  'Zaho akory
99  Tsy ho ory,
100  Mana-mpiahy
101  Sy mpitahy!

102  'Lay modely
103  Fahakely,
104  Tsy mba foana
105  Fa tsaroana!
106  'Reo anjara
107  Voatantara
108  Sarobidy
109  Ka tadidy!

110  Tsy mba vola
111  Mora tola
112  No sahaza
113  Ho an-jaza;
114  Fahendrena
115  'Zay nomena,
116  Io no lova
117  Tsy mba miova !

Mis à jour le 2025/02/01