Entrée Vavaka ho an' ilay mpandalo
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Raharolahy Mamy
Texte 
Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely.
Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely!
Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso
Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso.
Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny
Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny.
" Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa;
Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa!
Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny.
Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny;
Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao,
Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " .
Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo
Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo.
Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha
Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha.
Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny!
Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany!
Editions 1960/01. Fampitaha.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/10/20