|
|
|
|

Entrée1  Tenin-dRazako
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Randria Samuël
Texte complet 
5  Teny
6  Nianarako nibada
7  Nianarako ny " Dada "
8  Nahaizako ny " Neny " .
9  Teny
10  Namorona ny hevitro
11  Sy ny eritreritro.
12  Eny,
13  Teny
14  Nilazako
15  Ny feon'ny fon'ny hazazako
16  Te-hahay
17  ' Lay teninay.

18  Tamin'izany, hasambarako
19  Ny tenin-drazako.

20  Dia nitombo teny ny fahaizako,
21  Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako,
22  Nahazatra, tena vantana amiko
23  'Lay teny gasy, tena mamiko.
24  Nitombo ny fisainako
25  Fa namboarin'ny fiainako;
26  Dia tazako
27  Ny fahalehibeazako...
28  Dia ny fahombiazako.
29  Ka' lay tenin-drazako
30  Efa fahazarako
31  Tato am-poko mitambolona
32  Natakaloko ny an'olona,
33  Navelako,
34  Fa nivadika ny lelako.
35  Tsy afeniko
36  Fa'lay tenin-drazako,'lay teniko,
37  Asa lahy!
38  Tonga nahamenatra ahy.
39  Tsy antonina ny lazako
40  Ny tenin-drazako
41  Ka nafoiko,
42  Fa ny tsy ahy no hamboiko.
43  Dia hoy aho:
44  " Teny maty,
45  " Tsy mahalaza ny ao anaty,
46  " Teny ambany
47  " 'Zany teny malagasy izany " .
48  Nefa ahy, tena ahi...ko
49  Toy ny nofo sy fanahiko.
50  …...
51  Moa rehefa ambony, ka azo izay nirina,
52  Dia ny an'ny tena no tsy tiana sy ariana?
53  Tsia dia tsia,
54  Sanatria!
55  Ry Tenin-drazako ry Teniko,
56  Neniko e ka neniko
57  Ny nanambany anao.
58  Ary izao,
59  Hoy ny vavaka miloatra avy ato anatiko
60  Ho ato anatiko ary mandra-pahafatiko:
61  " Tompo ô! tapaho re ny lelako,
62  " Raha ny Tenin-drazako no havelako.
63  " Eny, foano ny ho aviko,
64  " Raha'ty Teny taminao no tsy hotiaviko " !

Mis à jour le 2024/12/10