Texte complet |
5 Iny teheza-bohitra iny mahalasa vinaniko
6 Am'ireo alaalany ary vatolampy aminy,
7 Am'izato lohasaha sy tanimbary ety ambaniny...
8 Lavitra tokoa manko ankehitriny izany taniko!
9 Dify any ny masoandro.
10 Ny aloka iny tafandriana.
11 Taratry ny vodilanitra sisa loko amin'ny rano.
12 Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano,
13 Manetsika embona ao am-pon'ity am-pivahiniana…
14 Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko
15 Mangina eny rehetra eny… Mangina koa ny ao am-poko...
16 Aloka mamelovelo! Fahanginana oriory!
17 Eto ambody aviavy no iainako an'izany.
18 Mifandrindra amin'ny foko izato alahelon-tany!
19 Ny embonembona avy eto misy ho nofy raha matory...
|
|