|
|
|
|

Entrée1  Ry fahafahana
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Andriamanantena Georges
Texte complet 
5  Matokia, ry Fahafahana,
6  rahavavim-pivavahana!
7  Fa tsy ho moana
8  na ho foana
9  ao anatiko ao
10  ianao.
11  Holalaiko
12  sy hohajaiko
13  ka harovako
14  io ho lovako.
15  Fa raha ny peniko no halaina
16  an-tenin'aina,
17  ka didiana
18  sy tsindriana
19  tsy hanoratra anao,
20  d'henoy izao:
21  Io ny molotro
22  atolotro
23  hivazavaza
24  sy hanazava,
25  ka hiteny
26  ombieny ombieny
27  ny hasarobidinao
28  sy ny anara-masinao...
29  ka matokia
30  doria doria!

31  Fa na rahonana aho na tairina
32  ka ny molotro hozairina
33  raha miteny
34  anao ka reny,
35  lazaiko anao
36  fa mbola hanao,
37  hanaram-po
38  tokoa tokoa
39  ny hohon-tanako
40  an-kavanako,
41  hivikiviky
42  ka hikiky
43  rindrin-tany
44  sy handrin-tany,
45  vatan-kazo
46  sy izay azo
47  ametahana
48  ny Anaranao, ry Fahafahana!
49  Na ho penina hodorana,
50  na ho molotra hofatorana,
51  na ho tanana
52  hokantsanana...
53  tsy hampaninona
54  to'inona!
55  'Ngaha d'izany
56  monja ihany
57  no ahazoako manambara
58  anao hijoro hatrany am-para?
59  Ao ny masoko mijery
60  afaka hamindra hery.
61  Ao ny saiko,
62  ao ny aiko.
63  ao ny zanako,
64  taranako,
65  mbola hiady
66  sy hitady
67  ka hivonona hifandramatra
68  hibaiko izao tontolo izao.

69  Ka noho ianao
70  ny herim-ponja
71  dia ho " monja ",
72  ny letrezana
73  hihomehezana
74  satria tsy maintsy ampanjakaina
75  hatramin'ny fara fofon'aina
76  ny Herinao, ry Fahafahana!

Mis à jour le 2024/12/10