|
|
|
|

Entrée (1/2)1  Ralaikamboty
Partie du discours  2  nom proverbial [Liste complète]
Proverbes  3  Proverbes contenant le mot Ralaikamboty

Entrée (2/2)4  Ralaikamboty
Partie du discours  5  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  6  Littérature: poèmes
Auteur  7  Rajaobelison Samuël
Texte complet 
8  Kanety telo no mba fananana.
9  Voaisa lava sy maty an-tanana ;
10  rovi-jiafotsy no isalorana,
11  izay tsy voavitrana nofatorana !
12  Ralaikamboty manara-tsena,
13  miandry'zay olona mba onena !

14  Manao mbay lalana ombieny ombieny
15  no sady mangataka lavareny ;
16  sendra vomanga, mambosibosika,
17  sendra olon-doza, voatositosika:
18  Ralaikamboty tomany homana,
19  singany irery ao an-katakonana!

20  Harona kely tsizarizary,
21  feno ombi-kena sy tonom-pary,
22  arahin'ny lalitra moramora,
23  k'izay tsy mihoaka mitsipi-drora:
24  omby mahia tsy lelafi-namana,
25  tranon'ny ory tsy manavanana !

26  Endrika hatsatra sy mandràka ,
27  dindon'ny fiainany latsa-paka,
28  maso efa lalina sady haolo,
29  " taola-mitsangana " , hoy ny Ntaolo:
30  Ralaikamboty tsy mba mihety
31  na andro lanonana na andro fety!
32  Endrey izato lotony loza loatra,
33  nilaozan'ny tanana mpanamboatra:
34  ineny nialoha any an-danitra any,
35  idada tsy namana ety an-tany,
36  ny havana akaiky mandatsalatsa ,
37  Ralaikamboty tsy misy patsa!

38  Rava ny tsena, hariva ny andro,
39  lasa'reo olona mba hahandro;
40  Ralaikamboty no sisa hita
41  revo mitsimpona ery am-pita;
42  alika mierona mitofezaka
43  no ifandrombahana an'ezakezaka!

44  Latsaka ny alina mamanala,
45  Ralaikamboty misalasala:
46  Hody, tsy manana izay akany;
47  hijanona an-tsena, mba mafy ihany;
48  ambany sarety efa kotrakotra
49  no indro midaboka sy mitsotra!

50  Rehefa nanapitra ron-doha
51  ka nitanisa'reo tsy hifoha,
52  sasatra mantsy fa malamalana ,
53  sovohin-tory mahalankalana ;
54  mbola migoika sy miolanolana,
55  tazan'ny kintana sy ny volana!

Mis à jour le 2024/12/10