|
|
|
|

Entrée1  Ny Razana
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Dox
Texte complet 
5  Moa matory ve ny Razana ao ambany rangolahy
6  Sa momba antsika ihany ka mibitsika am-panahy?
7  Fon'iza no mitepo ao anatintsika izao?
8  Mbola mba ny fony va? Ny ao anatinao tsapao!

9  Ao ireo tanàna haolo atorian'ny taolambalony.
10  Nandao azy ireny isika: vohitra hafa no takalony;
11  Nefa miantso antsika izy mba hitodika an'ireny
12  Sy hihaino ao anaty ny fanahiny miteny!

13  Ny avelony mimpody mitady havana hitafana,
14  Babangoana anefa indrisy! f'efa resy ny tanàna!
15  Ny ao anatintsika koa sao avela ho babangoana!

16  Moa tsy mety ny mitandro sy miahy ny anaran-dray?
17  Henoy ny feon'ny Razantsika'ndrao izy hangaihay
18  Mahita antsika tsy azy intsony k'izy indray no hisaona!

Anagrammes  19 

Mis à jour le 2025/01/21