|
|
|
|

Entrée1  Ny Fanantenana
Mots élémentaires  2  fanantenana
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajemisa-Raolison Régis
Texte complet 
6  Rah' misy mitady ny tena hafaliana
7  Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana,
8  Dia tokana monja no azo valiana:
9  FANANTENANA!

10  Ny Fanantenana no afon' ampombo
11  Midonaka lava ao anatin' ny fo;
12  Rah' sendra ny rivotra, mainka mitombo,
13  Vao mainka mitombo rah' misy manjo.

14  Ny Fanantenana no manampy antsika
15  Hizaka ny mafy tsy am-po mitoreo,
16  F' aorianan' ny orana, ny andro baliaka
17  Tsy maintsy ho tonga ka mbola hiseho.

18  Ny Fanantenana no soa sarobidy,
19  Satria tsy mba aiza fa ao anatin' ny tena:
20  Ny saina no amboarina asaina mifidy
21  Na hilofika hatrany na mbola hanantena!

22  Ny Fanantenana no maha-olona ahy;
23  Ny biby voafetran' ny eto sy anio,
24  Ny olona kosa mitsinjo, manahy:
25  Ny Fanantenana no mahatonga an' io.

26  Ny Fanantenana no' lay saro-bonoina
27  Misisika lava, tsy mino fa maty
28  Rah' tsy avy mandevina tsy manan-kantsoina:
29  Ny Fanantenana no kiry ao anaty!

30  Ny Fanantenana no mampisy vidiny
31  Ny fiainana etoana' zay fefik' indrisy:
32  Rah' toa tsisy setriny moa' zany ngidiny,
33  Tsy aleo ve tsy ary, aleo ho tsy nisy?

34  Ny Fanantenana no tanjon' ny fo
35  Mavesatra lava sy tra-pahoriana:
36  Na inona mantsy no loza manjo,
37  Ho avy ny andro tsy maintsy hodiana!

38  Ny Fanantenana no' lay varavarana
39  Vohaina tsy tapaka isan' andro hatrany,
40  FAHASAMBARANA,
41  Sao dia mba tonga mitsidika ihany!

42  Rah' misy mitady ny tena hafaliana
43  Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana,
44  Dia tokana monja no azo valiana:
45  FANANTENANA!

Mis à jour le 2024/12/10